© 2012 Laza Baleda & The Voangory Attitude Experience L.T.D
FIAINAMPIRENENA ...TRANSITION
...Gouvernementa Berziky Omer nisolo ny Gouvernementa Camille VITAL-RAJOELINA Gouvernement 36 Ministra izay Vice premier ministre ny iray +Mpanolontsaina manokana,vazaha na Gasy fa tsy lazaina na ny isany na ny anarany. Dia ireo izany no isan’ny olona nahazo toerana sy adidy ,hiandraikitra hahatafavoaka ny Firenena Malagasy amin’izao fotoan-tsarotra nampidirana azy izao.Tsy hanonona anarana isika,na hanontany hoe mba iza marina moa izy ireo ,na ahoana ny toetoem-piainany,ary Inona no....
...be volamena ao Madagasikara ?
Manam-pahaizana manokana momba ny harena an-kibon'ny tany, noraisin'I Brice Andrianasolo ho adidy ny fanehoana ampahibe maso tsy misy ankanafina ny hamaron'ny an'I Madagasikara.
Raha volamena no resahana, dia Indro atolony antsika ny toerana sy sokajin-toerana mety ahitana izany. Raha voatrandraka ara-drariny mantsy ny harena, dia tsy ho sarotra ho an'ny malagasy ny hiavo-tena.
Miadia Daholo Ry Malagasy 7 febroary...
Na dia tsy izany aza no tena fanalavàna an'ireo litera ireo, dia mazava fa toy ny fanaovana tsinontsinona ireo mahery fon'ny 1947 izao korontana iainan'ny Nosintsika izao.
Dia rariny tokoa ve rehefa hoe avy niady tamin'ny vazaha mpanjanatany isika , raha isika samy isika indray no hifanosika sy hifandàka àry hifamono toa ny valala an-karona ? Na tamin'ny taona 1972, na 1975, na taona 1991, 2002, ary indrisy ankehitriny , taona 2009, dia tsy nitsahatra ny niboiboika sy niraraka àry nandoto arabe ny ràn'ny Malagasy.




Facebook, Fetsy boky , tavam-boky... tsy zoviana amintsika intsony fa fitaovana lehibe manamora ny fifaneraserana sy ny fifandraisana ankehitriny: Ihaonan'ny mpinamana fahiny. Itadiavana andefimandry. Isary zoroana. Fa tsy izany fotsiny ihany : misy ihany koa ireo mampiasa azy hanaovana dokam-barotra na hampitàna firehan-kevitra paolitika na koa handefasana vaovao marina na tsia, hampiderana fahaizana, hampisehoana hatsaran-tarehy, hanamparana haratsiam-panahy. ... Misy izay ilaina ao amin'ny Facebook.
Mijoro ao ny vondron'ny teraky ny avy any Ambohitsitononina. Ny fikambanan'ny mpanao Rami, etsy Ambodimita. Miara-monina ao ny tia vetaveta sy ny Mpitory teny. Na tsy mifanosina aza dia samy ao avokoa ny Taranak'Andriana sy ny zanak'ikala hafa...
Ny zavatra tena manaitra ao anefa (ankoatra ny fahamaroan'ireo zazavavy malagasy maka sary mitanjaka) dia ny hamaroan'ireo vondrona manandratra ambony ny Maha-malagasy : ao ireo manasohaso ny hatsaran'ny tovovavy malagasy; marobe ihany koa ireo fikambanana "malgaches et fièrs de l'être" tsy dia misy tanjona loatra. Mirongatra ao ny fitiavan-tanindrazana ka indro Ramalagasy "be fivoarana" fa mba miezaka tsy manadino ny tenin-drazany ihany koa, hany ka mitady izay very, mamongatra ny efa nalevin-drafandrosoana àry miverina mianatra fitsipi-pitenenana.
Hoy aho hoe: soa fa teo Rafetsy boky satria na ilay valalan'amboa aza toa nihamanitra noho ny hafetseny...
Asa anefa aloha... amereno ariary aho raha misy madinika any aminao.
( Mbola hitohy...)
Laza Baleda GasyTsyVery










.jpg)




FELA-HAINGO-HANITRA
Dans le cadre d'un projet de création théâtrale, Hervé Dartiguelongue
( metteur en scène) a fait appel à nos trois compatriotes afin d'ajouter une touche malgache dans la fameuse comédie de Molières intitulée :''LES PRÉCIEUSES RIDICULES''.
Nodimandry tamin'ny alarobia 22 Febroary 2012 tao Montpellier (Frantsa) lasa teo i Malanto ka voton'alahelo tokoa izahay GasyTsyVery. Renim-pianakaviana mahafatra-po. Namana mahafinaritra. Olon-tsotra tsy nampisoritra teny an-tavany akory ny fangirifiriana noho ny aretina nahazo azy i Malanto.
Hatramin'ny farany, dia nataony tolona ho azy ny fitandroana ny riba malagasy. Tolona nolovainy tamin'ny Raibeny, Jean Narivony, mpanoratra sy poéty namela soa ho an'ny firenena.
Ho tsaroanay lalandava ny fotoana mamy niarahana tamin'I Malanto, na ny tany am-piangonana na teny rehetra teny. Miara-miory min'ny fianakaviana izahay àry mirary fiononana feno ho an'ny vadiny sy izy mirahalahy Zanany.
Ny GasyTsyVery

Une Boutique et Galerie d'Art provenant de Madagascar vient d'ouvrir à MONTRÉAL. Vous y trouverez des oeuvres exclusives d'artistes peintres et sculpteurs malgaches. Mais ce n'est pas tout; pour le plaisir des femmes, vous y trouverez des bijoux ethniques en argent ainsi que des bagues, colliers etc… en Sterling Silver sertis de pierres fines. Et ce n'est pas fini: si vous ne connaissez pas encore l'île, venez nous rendre visite et nous vous emmènerons en voyage à Madagascar par nos huiles essentielles ainsi que nos épices ( Vanille Bourbon de Madagascar, Baies Roses…). VENEZ DONC NOUS VOIR POUR LE PLAISIR DE VOYAGER À MADAGASCAR. Nous sommes situés au 1446 SHERBROOKE WEST. Au plaisir de vous voir.... Tsikimamy